NIREHITRA NY AFO, KILA TANTERAKA NY EFI-TRANO ROA
FITAOVANA MARO NO LASA LAVENONA
FITAOVANA MARO NO LASA LAVENONA
Kila tanteraka ny efi-trano miisa roa, ny iray efi-trano fitehirizana fitaovana (Magasin de stock) ny iray efi-trano fitehirizana ny atotan-taratasy ( Archive) etsy amin'ny Service Technique, na fantatrin'ny be sy ny maro amin'ny fiteny mahazatra hoe : VOIRIE, izay eto anivon'ny Kaominina Antsirabe Ambonivohitra.
Ny alin'ny Zoma 27 Oktobra 2006, lasa teo no niseho izany hai-trano mahatsiravina izany, raha arakan'ny filazan'ny manodidina dia mety ho tany amin'ny 12 alina tany ho any no niseho ity trangan-javatra ity, nanano sarotra ihany ny famonoana ny afo, hoy ihany ireo nanatri-maso fa soa ihany fa nisy ny fiaraha-mientana eo amin'ny mpiasa ato amin'ity « voirie » ity sy ny fokonolona teny an-toerana dia voafehy tsara ny afo ka tsy niampita tamin'ny manodidina.
Maro dia maro ireo fitaovana kila sy may , raha tsy hilaza afa-tsy ny :
Ampahany amin'ny fitaovana izay hanampiana ireo sekoly sy hanamboarana ny simba amin'izy ireny, ny fitaovana sy kojakoja samy hafa hoentina hanamboarana ny Biraom-pokontany miïsa 18, ampahany amin'ny fitaovana sy kojakoja hanamboarana ny Tsena Sabotsy, ary fitaovana fampiasa sy fanamboarana fiarakodia, izay no tao amin'ny efi-trano ilany, fa raha ny tao amin'ny efi-trano fitehirizana ny atotan-taratasy no asian-teny dia kila sy may ary lasa lavenona avokoa ireo taratasy maro tao.
Ny hoe « avy aiza aloha ny afo ? » dia mbola baraingo mipetraka, fa ny azo antoka dia tsy maintsy ho fantatra izany satria efa eo ampelatanan'ny manam-pahefana isan-tsokajiny ny raharaha.








